Sport

Savaranonandro Afrobasket 2021- Zimbabwe Nanainga omaly alahady ny ekipam-pirenena


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Omaly alahady tolakandro tokony ho tamin’ny 3 ora latsaka fahefany tolakandro no nanainga teto an-tanindrazana (Seranam-piaramanidina Ivato) ,

 

 

 ny delegasiona Malagasy eo amin’ny taranja basikety baolina hihazo an’i Harare any Bulawayo Zimbabwe hiatrika ny fifaninanana savaranonandon’ny Afrobasket 2021” ho an’ny vondrona E “Pre-eliminatoire de l’Afrobasket 2021 Groupe E” izay hotanterahina any Zimbabwe manomboka rahampitso talata 21 ka hatramin’ny faha-25 janoary 2020 izao.  Marihana fa  ny faritra faha-6 sy faha-7  mitamabatra aty Afrika ahitana an’i Afrika Atsimo, Botwana, Comores, Zambie ary Zimbabwe mpampiantrano no mivondrona ao amin’ity vondrona E ity ka izay tafavoaka voalohany avy ao no ho tafita hiatrika ny fifanintsanana ao amin’ity vondrona E ity hiaraka amin’i Tunisie sy ny Republique centrafricaine ary ny Rdc hotontosaina  amin’ny 17 ka hatramin’ny 25 febroary 2020. Marihina  fa mpilalaon’ny Gnbc miisa 6 sy mpilalaon’ny Cospn miisa 3 sy mpilalao iray an’ny Ascut sy Ascb ary Poissy basket France  no nofidian’ny mpanazatra Tojo  Hery sy Lova Navalona  nandrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny fifaninanana any Zimbabwe ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT