Sport

Sary famantarana vaovaon’ny FMF “Nandray anjara ny mpitia baolina kitra”


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Miisa 590 ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana sary famantarana vaovaon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, raha ny fanazavan’ny komity mpanatanteraky ny FMF tetsy amin’ny Avana Hotel Ambohidahy omaly.

 

 

Nozaraina sy nampandraisana ny mpitia baolina kitra Malagasy izany, hoy izy ireo, sy ny mpikamban’ny federasionina na CE. Ireo no nanao ny fifantenana na “préselection”. 27 isa ireo voafantina ka nampandraisina anjara betsaka avy eo ny mpikamban’ny federasionina ary nahazoana ny 3 voalohany. Ny mpitia baolina kitra rehetra no nandray anjara, hoy hatrany ny federasionina, fa tsy sanatria nokobokobonin’ny federasionina akory ny fifantenana. Notolorana ny lelavola mitentina 1.000.000 ariary moa i Zofitia Randrianjafimanana izay nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana. Na izany aza anefa dia miteraka resabe sahady ity resaka sary famantarana vaovao ity ary misy ireo manakiana fa tokony ho matihanina no nitsara ny fifaninanana nifantenana izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT