Sary famantarana ny fifaninanana «Indian Ocean U15»

Nivoaka mpandesy i Randriamihaja Aina Ken Johan


  • Zoma 13 Desambra 2024

Tontosa teny amin’ny foiben’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF ny fanomezana ny loka

ho an’ny fifaninana famoronana sary famantarana na «logo» «Indian Ocean U15 Festival soutenu par FIFA Forward» tamin’ny fomba ofisialy omaly. Randriamihaja Aina Ken Johan no nandresy ary nandray ny sorabola 500.000 Ariary natolotry ny filohan’ny FMF, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny «logo» novolavolainy dia maneho tanteraka ny toetsain’ity hetsika ity, hoy ny fanazavana. Manasongadina ny tanora, ny fahasamihafana ary ny maha izy azy manokana ny faritra ranomasimbe Indiana. Hetsika voalohany mampivondrona ireo tanora latsaky ny 15 taona, lahy sy vavy, ao amin’ny faritra ranomasimbe Indiana ny «Indian Ocean U15 Festival soutenu par FIFA Forward». Io no hetsika voalohany karakarain’ny FMF eto Madagasikara, izay tohanan’ny FIFA, ary hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 22 desambra 2024. Mandray anjara amin’ity hetsika ity ny ekipa nasionaly U 15 na latsaky ny 15 taona avy amin’ny firenena miisa 4 dia i Madagasikara, Kaomoro, Seysely, Maorisy. Ao anatin’ny toetsaina firahalahiana sy fifanakalozana no hifaninanany, maneho ny firaisankina eo amin’ireo firenena ao amin’ny ranomasimbe indianina. Ny hetsika dia hatao ao amin’ny kianja Elgeco Plus ao By Pass sy ny «Stade Annexe» Barea ao Mahamasina eto Antananarivo, hoy hatrany ny FMF.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT