Sandro Trémoulet

Hilalao any Serbia


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

Rehefa tsy nanana klioba nandritry ny 7 volana dia fantatra ankehitriny

fa nanasonia fifanarahana mandritry ny 1 taona amin’ny FK Radnik, divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra ao Serbia, ilay vodilaharana afovoany malagasy, Sandro Trémoulet. Fifanarahana azo avaozina izy ity, raha ny fampitàm-baovao voaray. 25 taona amin’izao fotoana izao ity vodilaharana mirefy 1,90 metatra ity. Ireo klioba heverina ho matihanina amin’ny apahany hatrany, izany hoe milalao amin’ny divizionina nasionaly ao Frantsa, toa an’i Castelnau Le Crès FC na Vannes OC ary FC Sète 34 moa no nisy azy talohan’izao, raha tsiahivina ihany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT