Sport

Samuel Eto’o “Tsy ekeko io CAN hatao isaky ny 4 taona io”


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Hentitra ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra, ilay teratany kameroney, Samuel Eto’o,

 

 

 

nanamafy izay efa nolazainy tamin’ny filohan’ny federasionina iraisam-pirenena, Gianni Infantino fa tsy ekeny na oviana izany tompondakan’i Afrika na CAN hatao isaky ny 4 taona izany. Tsy ho tombontsoan’i Afrika mihitsy izany, hoy izy, nahitsy fa ho tombontsoan’i Eoropa. Ireo klioba eoropeanina no tsinjovin’ny FIFA amin’io satria tiany hanome fahafaham-po azy ireo daholo ry Mohamed Salah sy ry Sadio Mane na ry Pierre-Emerick Aubameyang. Ahoana no ahafahana mampandroso ny baolina kitra afrikanina amin’ny fanaovana CAN isaky ny 4 taona nefa isaky ny 2 taona aza mbola izao no zava-misy ? Hatao ao Kameronina moa ny CAN 2021 ary hiverina ho toy ny mahazatra hatramin’izay ny fizotrany, izany hoe volana janoary na febroary raha nandramana jona sy jolay ny 2019 farany teo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT