Sport

Samuel Eto’o “Manohana ny Barea aho matoa tonga eto”


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Mialohan’ny lalao lehibe hifanandrinan’I Madagasikara sy Bénin anio amin’ny 7ora hariva, dia hotontosaina mialoha io amin’ny 2ora tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea Mahamasina,

 taorian’ny fanavaozana azy. Hanome voninahitra izany ilay kintan’ny baolina kitra Camerounais Samuel Eto’o. Ity farany izay tonga teny Ivato omaly tamin’ny 2ora sy 5minitra nentina fiaramanidina manokana na “jet privé”. Ny sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika Atoa Valery Monjavelo sy ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Federaly Rtoa Rosa Rakotozafy no nitarika ny delegasionina nitsena azy teny Ivato. Naneho ny hafaliany amin’ny fahatongavany eto Madagasikara indray I Samuel Eto’o taorian’ny tamin’ny novambra 2019, niaraka tamin’ny Filohan’ny FIFA sy ny Filohan’ny CAF. Ny fahatongavako eto dia efa midika fa fanohanako ny Barea, hoy ity mpilalao ity, izay nirary fahombiazana ho an’ny ekipam-pirenena, nidera sy faly tamin’ny fahavitan’ny kianja ihany koa.Nitsidika ny kianja Barea moa omaly hariva i samuel Eto’o. Hanatrika ny lalaon’I Madagasikara sy Bénin ny tenany mazava ho azy. Raha ny nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, dia tamin’ny 2019 no efa nampanantena ity mpilalao efa nibata ny “ballon d’or” Afrikanina ity, fa ho avy hanome voninahitra ny fitokanana kianja rehefa vita ny fanavaozana. Ny sabotsy 4 septambra izao moa vao tena handeha ny fanokanana amin’ny fomba ofisialy taorian’ny olana sy disadisa maro. Niantsoana mpanakanto maro io, ary hisy ihany koa ny afomanga hamaranana izany.


Tsy mitsitsy vola ny mpitondra ankehitriny amin’ity lanonana ity satria raha ny loharanom-baovao azo, dia misy amin’ireo mpanakanto no mahatratra hatrany amin’ny 6 tapitrisa Ariary ny karaman’ny tarika iray mba hanafana ny lanonana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT