Sport

Run – Tompondakan’i Madagasikara Norombahan’i Yu ny dingana voalohany


  • Alatsinainy 12 Aprily 2010

Samy afa-po na ny Run Mada mpikarakara na ireo mpankafy ny fanatanjahantena mekanika omaly teny amin’ny seranam-piaramanidina fahinin’Arivonimamo, toerana izay nanatanterahana ny dingana voalohan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny run.

Nandrombaka ity dingana voalohany ity i Chan Yu Tien izay nanamory Ford Sierra Cosworth, ilay vao avy nisalotra tsy ela akory ny maha mpanjakan’i Masay azy (king of Masay). Ity farany no nahavita ny fotoana tsara indrindra tamin’ny halaviran-dalana 400m (12’’75). 66’95 ny fitambaran’ny fotoana vitan’ity farany rehefa natambatra ny zava-bitany tamin’ireo dingana dimy nifaninanana. Laharana faharoa kosa ilay tompondakan’i Madagasikara 2008, Rasolojaona Tahiana (Jay Taxx) nanamory BMW M3 3,2l izay nahavita ny fotoanany tsara 13’72 sy ny fitambaran’ny fotoana nahavitany ireo dingana dimy (72’03). I Poutl nitondra Golf T16 no laharana fahatelo nahavita fotoana tsara indrindra 14’40. Fa ny tena nampiaiky ny maro, tsy vao izao fa tany amin’ireo fifaninanana tany aloha, i Andriamaharo Frédéric nitondra coccinelle 2,3l. Nahatratra 35 moa ireo nandray anjara teo amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara dingana voalohany ity. Nanamarika ny fotoana teny an-toerana ihany koa ny run ho an’ireo fiara 4x4 sy ny lohana camion ary ny moto. Ny indro kelin’ny hetsika mivadika ho indro be raha tsy mitandrina dia ny tsy fahafehezana ireo mpijery izay tsy voatohan’ireo tady sakana sy ireo mpitandro filaminana ka tafakatra hatreny amin’ny lalana nanaovana ny fifaninanana. Loza mihantona ho an’ny mpikarakara, indrindra ho an’ireo mpijery anefa izany ary nanataraiky ny fifaninanana. Ny 27 jona indray ny dingana faha-2 manarak’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny run ity izay hatao eny Arivonimamo ihany.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT