Sport

Run – Tompondakan’i Madagasikara Eny Arivonimamo ny dingana voalohany


  • Zoma 09 Aprily 2010

Haresaka indray eny Arivonimamo izay hampiantrano ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ny alahady izao ka tompomarika amin’ny fikarakarana izany ny klioba “Run Mada”.

Hanomboka amin’ny sivy maraina ny dingan’ny fifanintsanana izay ahitana andrana dimy. Ireo valo mahavita ny fotoana tsara indrindra no ho tafita amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana. Hizara sokajy maro ny fifaninanana ahitana ny “Pro run” ho an’ireo fiara matanjaka sy ny “run” ho an’ireo tsotsotra. Ankoatra ireo anefa dia hampiavaka ity indray mitoraka ity ny “run 4x4” sy ny fiara vaventy na ireo “camion” izay tsy tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara akory. Efa zary mahazatra koa ny fifampiantsiana eo amin’ireo sokajy samihafa ahafahan’ireo moto mifampitaha amin’ireo fiara… Hanentana mandritra ny tontolo andro eny an-toerana koa anefa ireo mpikosoka kapila (DJ). Nomarihin’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny “Run Mada” mpikarakara, Rasolojaona Tahiana (Jay Taxx), ilay tompondakan’i Madagasikara 2008, fa hafindra eny amin’ilay “piste” kely indray ny fifaninanana fa tsy amin’ilay fampiasa hatrizay. Dingana telo amin’ireo dimy hanamarika ny fifaninanam-pirenena no horaisin’ny “Run Mada” an-tanana amin’ity taom-pilalaovana ity dia ny dingana faha-2 ny 27 jona sy ny faha-5 farany ny 3 oktobra.

 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT