"Run" teny Imerinkasinina

Hentitra ny fitsirihana ny tahan'alikaola


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Nohamarinina ny tahan’ny alikaolan’ireo mpandray anjara Nohamarinana ny tahan'ny

alikaolan'ireo mpandray anjara tamin’ny fifaninanana mamily fiarakodia teny Imerinkasinina ny faran’ny herinandro teo. Familiana hieren-doza no tanjona hoy ny tompon’andraikitra. Nidina teny an-toerana mihitsy ny Polisy avy ao amin'ny Brigade des Accidents na ny BAC omaly Alahady 30 jona nanara-maso ny fizotry ny fifaninanana. Nanaovana "test d'alcoolémie" na fitiliana ny tahan'ny alikaola ireo mpandray anjara rehetra nandritra izany ka nilamina tsy nisy tomika tamin’ny ankapobeny. Izany dia tafiditra indrindra amin'ny asa fisorohana ny lozam-pifamoivoizana izay mety hitranga mandritra ny fifaninanana.Tsy hijanona eo fa hitohy hatrany ny hetsika hataon'ny BAC ho fisorohana ny loza.
Pati
Legende : Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ireo mpamily omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT