Sport

Run – Mada Tsy handray anjara i Yu, mananontanona ny anaram-boninahitra ho an’i Jaona Elite


  • Zoma 16 Oktobra 2015

Taorian’ireo Rallye nifanesisesy dia ny Run, hazakaza-piarakodia amin’ny halavirana 400m indray no haresaka amin’ity faran’ny herinandro ity. Hotanterahina eny amin’ny Batac Arivonimamo ny alahady 18 oktobra izao mantsy ny dingana fah-5 alohan’ny farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny Run.

 



Mitarika ary zary lasa manjaka tokana moa izao i Jaona Elite hatramin’ny niovany fiara ka nampiasany ilay Dragster nanomboka tamin’ny dingana faharoa iny. Hatreto dia lasany nalalaka avokoa ireo dingana rehetra nitondran’i Jaona solombavambahoaka io fiarany vaovao io. Efa dingana roa koa izay no tsy tazana nandray anjara i Chan Ten Yu sy ny Ford Cosworth, ity farany izay an-taonany maro nisesy no niravaka ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara. Efa nilaza ny tsy mbola handray anjara indray moa i Yu amin’ity dingana hatao ny alahady izao ity noho ny mbola fiandrasana kojakoja amin’ny Ravaomaria, ilay fiarany. Ny ady eo amin’ny Jaona sy Vazaha izay manamory Mitsubishi EvoIX izany sisa tena handrandrain’ny mpankafy ity taranja ity ho an’ny sokajy Pro Run ankoatra ireo ady any amin’ny sokajy Run. Efa mananontanonana araka izany ny fizoran’i Jaona Elita hiazo ny faratampon’ny lampihazo ho an’ny Pro Run amin’ity taom-pilalaovana ity. Tompomarika amin’ny fikarakarana ity dingana fah-5 ity moa ny klioba Run Mada.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT