Sport

Run – Mada Tompondaka i Vazaha sy Fred


  • Alarobia 02 Desambra 2015

Nanjakazaka ireo mpanamorin’ny klioba Run Mada! Fantatra mazava taorian’ny dingana farany natao teny Arivonimamo ny alahady teo ireo tompondakan’i Madagasikara isan-tsokajiny amin’ny run.

 

 Ny klioba AMA no tompomarika tamin’ny fikarakarana ny fifaninanana ny faran’ny herinandro teo. Ny dingana fah-6 farany moa no natao tamin’io ho an’ny sokajy “prorun”. Nandrombaka ny lah-1 tamin’izany Rafanomezantsoa Jean de Dieu na i Vazaha nanamory Mitsubishi Lancer Evo-IX izay nandavo an-dRasolojaona Tahiana na i Jay Taxx nitondra BMW M3. Taorian’io vokatra io dia norombahan’i Vazaha fanindroany ny anaramboninahitra tompondakan’i Madagasikara amin’io sokajy io. Marihina fa fiara hafa, Subaru no netin’i Vazaha tamin’ny fanombohan’ny fifaninanana fa tojo olana io fiara io tany amin’ny andrana nandrefesana fotoana ka izay no antony niovany namily ilay fiara Mitsubishi indray taorian’io. Raraka tany amin’ny dingan’ny fifanintsanana kosa ingahy solombavambahoaka, Jaona Elite nitondra Smart 2 na dia efa nikendry mafy ny anaramboninahitra aza tamin’ity taom-pilalaovana ity. Dingana fah-7 kosa no notontosaina ho an’ny sokajy “run” ary tafavoaka nandresy tamin’io i Andriamaharo Fred izay mitondra VW Cox Golden rehefa nampiondrika an-dRajaonah Andry nitondra P205. Efa fanatra nialoha ity dingana farany ity moa fa i Fred no tompondaka amin’ity taom-pilalaoavana ity satria dingana enina tamin’ireo fito natao dia lasany avokoa. Tsy nandray anjara mantsy ny lehilahy tamin’ny dingana iray tamin’ireo voalahatra. Mpanamorin’ny klioba Run Mada avokoa moa iroe nisalotra ny anarambonahitra isan-tsokajiny ireo.

Rasanda Serge

                         

Tahirin-tsary

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT