Namiratra indray ny Makis vehivavy! Tafita hiatrika ny dingana manasa-dàlan’ny Rugby women’s Africa cup,
taorian’ny fanamontsanany an’i Tunisie tamin’ny isa mavesatra 27-5 ny sabotsy teo tao amin’ny kianja El Menzah rugby Stadium any Tunis, raha toa ka efa nandresy an’i Sénégal 34-25 ihany koa ry Fenitriniaina Hanta sy ny ekipany tamin’ny lalao voalohany ny alarobia lasa teo. Nivoaha ho laharana voalohany tao anatin’ny fifanintsanan’ny Vondrona C noho izany isika, ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny lalao manasa-dàlana hiatrehana ny lalao manasa-dàlana izay hatao any Afrika Atsimo satria izay voalohany ao anatin’ireo Vondrona miisa efatra no tafita amin’izany. Nody ventiny izany ny rano natsakaina ho an’ny Ladies Makis nandritra ny fifaninanana savaranonando tany Tunisie ny 14-22 oktobra, ary andrasana ny dingana manaraka any Afrika Atsimo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.