Rugby vehivavy

Hiatrika ady goavana ny Makis


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

izao mantsy hoe tena hatraiza ny herin'ireto vehivavy malagasy ireto satria dia hifanena amin'ny andrarezina telo eto Afrika. Fanamby goavana hatreto no haoetraky ny mpanazatra Alain Rabdriamihaja satria mino sy manantena izy fa hanohanana tsy misy fepetra ny mpitia rugby etsy amin'ny kianja Makis. Tsy mora anefa ny miandry ireto Ladies Makis ireto na dia mikotrana intelo isan’andro aza. Ny Kenya mantsy no hidona voalohany amin'ireo nefa raha tsiahivina ny tantara dia efa nandresy ny Makis ireo tamin'ny taon-dasa. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe hanova zavatra ve ny nampidirana mpilalao vaovao sady tanora amin'ireto Makis ireto ? Miandrandra izany mantsy ny rehetra satria ny vokatra tsara ho azo dia mitondra any amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Ny 8 may indray no hihaona amin'ny Kameronezy ny Makis ary inoana fa efa mety hafahafa ny sary indrindra raha nahavita nandresy ny Kenya. Ilaina mantsy ireo fandresena indroa ireo alohan'ny hiatrika ny tena ady manoloana an'i Afrika Atsimo izay tompondakan'i Afrika. Tena ho sarotra ity farany ity saingy araky ny tenin'ny filohan'ny Malagasy Rugby, Marcel Rakotomalala dia efa natao ny ezaka rehetra mba ahatonga ireto Makis vehivavy ireto tena ao anaty heriny tsara. Miandrandra fanampiana amin'ny fanjakana ihany koa anefa ny Malagasy Rugby satria tsy vitan'ny baolina fotsiny io fa mila tohanana amin'ny lafiny rehetra koa ireto vehivavy ireto. Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT