Sport

Rugby U 20 Barthés Trophy 2020 Ny Kenya Rugby Union no handray sy hikarakara azy


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Tapaky ny CAR « Confédération Africaine de Rugby » na “Rugby Afrique” tany Le Cap atsy Afrika Atsimo, omaly alarobia 28 janoary fa homena ny Kenya Rugby Union tarihan’ny filohany,

 

 

 

Oduor Gangla, ny fandraisana sy fanomanana ny fifaninanana Barthés Trophy 2020 sokajy U 20  izay ho tohanan’ny Société Générale ka ny faha-19, 22 sary 26 aprily 2020 no hanatontosana izany ao Nairobi renivohitr’i Kenya. Marihana fa fanintelony nisesy izao no nandraisan’i Kenya an’ity fifaninanana ity.

Firenena 8 no handray anjara amin’ity fifaninanana ity dia i Kenya mpampiantrano, Namibie, Sénégal, Madagascar, Tunisie, Zimbabwe, Côte d’Ivoire et Zambie.

Ka ao amin’ny vondrona  A no misy an’i Kenya, Madagascar, Tunisie ary Zambie
Ao amin’ny vondrona B : Namibie, Sénégal, Zimbabwe ary Côte d’Ivoire
Fandaharan-dalao :

19 aprily 2020 : M1 : KEN # ZAM  ;  M2 : MAD # TUN  ;  M3 : NAM # CIV  ;  M4 : SEN # ZIM
22 aprily 2020 : M5 : Ny resin’ny tamin’ny  M1 # resy tamin’ny M2  ;  M6 : resy tamin’ny  M3 #  resy tamin’ny  M4   :  M7 : mpandresy tamin’ny  M1 # mpandresy tamin’ny  M2  ;   M8 : mpandresy tamin’ny  M3 # mpandresy tamin’ny  M4
26 aprily 2020 : M9 : A4 #B4  ;  M10 : A3 # B3  :  M11 : A2 # B2  ;  M12 : A1 # B1

 

Ntsoavina Evariste

 

 



 
 
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT