Sport

Rugby Tsinjakabe III Feno hipoka ny kianjaben’i Mahamasina


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Tratra ny tanjona ary fahombiazana teo amin’ny lafiny rehetra no azon’ny orinasa SPC “Sports et Cultures” tarihan-dRakotomanalina (Vévé) tamin’ny fikarakarana ny hetsika Rugby Tsinjakabe III

 

nifandimbiasan’ny lalao rugby sy ny fampisehoana rindran-kira notontosaina tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina feno hipoka tanteraka omaly alahady 14 septambra 2019 tontolo andro. Raha nampalai-nisaraka ny tanora ny rindran-kira niakaran-dry Tsota sy Leon Hill ary ry Bolo Pixx sy  MIJAH sns… an-tsehatra ny tolakandro dia nampitsanga-nitoetra ny mpitia lavalava kosa ireo lalao rugby in-3 miantoana natrehana ny tapany maraina. Nampanantena ny mbola hanao tsaratsara kokoa noho izay efa vita Atoa Vévé amin’ny andiany faha-IV amin’ny taona ho avy.

 

Vokatra rugby tetsy Mahamasina omaly : Tfma Ankasina 32 – 32 –Ftm Manjakaray  ; Tam Anosibe 24 – 20 Cnaps rugby   ;   3Fai Ambalavao Isotry  31 – 31. Samy nahazo lelavola avokoa ireo ekipa nandray anjara ary notolorana amboara kosa ireo mpandresy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT