Sport

Rugby Tsinjakabe Hotontosaina amin’ny 15 septambra izao ny andiany faha-III


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Raikitra fa hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahamasina, amin’ny alahady 15 septambra 2019 izao,

 

 

 ny andiany faha-III amin’ny hetsika Rugby Tsinjakabe karakarain’ny orinasana haino aman-jery sy fikarakarana lanonana ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ny  SPC  “Sports et Cultures” tarihan-dRakotomanalina (Vévé)   izay tsy zoviana intsony eo amin’ny tontolon’ny rugby. Ahitana lalao rugby goavana 3 miantoana  be izao hanolorana valopy ho an’ireo mpandray anjara ny tapany  maraina :  9:00-Scb Besarety # 3Fai Ambalavao Isotry, 11:00-Ftm Manjakaray # Tfma Ankasina ary 13:00-Cnaps Rugby # Tam Anosibe. Ny tolakandro manomboka amin’ny 3ora kosa dia rindran-kira hiarahana amin’ny tarika Tsota, Leon Hill, Bolo Pixx,  MIJAH, Wada sy Uyoongs. Nomarihan’ny mpikarakara fa tsy ho latsa-danja noho ireo andiany 2 voalohany ity hetsika ity ary nokendrena hanomezana fahafaham-po an’ireo tanora vao avy nanala BEPC. Mbola nomarihany ihany koa fa hivoha manomboka amin’ny 7 ora maraina ny vavahady ao Mahamasina amin’io andro io.

Ntsoavina Evariste

 

.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Rakotomanalina (Vévé), tomponandraikitry ny orinasa Soees

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT