Sport

Rugby Tournoi Mazavaloha Raikitra etsy Malacam ny famaranana


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Ela ny ela fa ho tontosaina etsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena rahampitso alahady 30 septambra ireo lalao famaranana 2 amin’ny lalao rugby « Tounoi Mazavaloha ».

 

 

Nambaran’Atoa Raharinala Gilbert fa noho ny fifandaminana teo amin’ny kianja hilalaovana no anton’izay elanelam-potoana naharitra teo amin’ny lalao manasa-dalana sy ny lalao famaranana izay. Nomarihany fa ady goavana handrasan’ny maro tokoa ny fifanandrinan’ny 3Fb Fahasalamana sy ny Tfma Ankasina ka izay mandresy amin’io famaranana io dia ho tolorana lelavola 4 tapitrisa ariary miaraka amin’ny amboara kalisy lehibe iray ary ny resy kosa dia hahazo 2 tapitrisa ariary. Marihana fa ady amin’ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra no tanjona amin’ny fikarakarana an’ity hetsika ity.

Fandaharan-dalao alahady 30 septambra :

Lalao sokajy vehivavy

7:30- Jsm Mahamasina # Rosa

Lalao fihantsiana D-1

9:30-Vtma Antsalovana # Rosa Club de l’Imerina

11:00- Uscar  # XV Familly

Famaranana Mazavaloha

13:30-XV Wolks Anosibe # Fta Anjanahary (D-1 elite 2)

15:00-3Fb # Tfma Ankasina (D-1 elite 1)

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT