Sport

Rugby « Tournoi des Six Nations 2019 » Novana ho « Guinness Six Nations » indray


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Lalao rugby à XV malaza any ivelany tontosaina isaky ny volana febroary sy martsa isan-taona ka handraisan’ny ekipam-pirenena 6 anjara dia Angleterre, Écosse, France, Pays de Galles, Irlande ary Italie anjara ny « Tournoi des Six Nations » izay lasa « Guinness Six Nations » tamin’ity edisiona 2019.

 

 

 

Ny Home Nations Championship « tournoi des Quatre Nations » no niandohan’ity fifaninanana ity tamin’ny taona 1883-1909 sy 1932- 1939.  Lasa Tournoi des Cinq tamin’ny taona 1910- 1931 sy 1947- 1999 rehefa niditra an-tsehatra i La Frantsa. RBS Six Nations indray no fiantso azy nanomboka ny taona 1999-2017 ary tamin’ny taona 2000 no niditra nifaninana tao ihany koa ny ekipam-pirenen’i Italie. Niova ho NatWest Six Nations izy io tamin’ny taon-dasa 2018  ary dia izao niova anarana izao indray tamin’ity taona 2019 ity.

Antsoina hoe « Champion d'Europe » izay tafavoaka amin’ity fifaninanana ity ka ny ekipam-pirenen’i Irlande no tompon’ny amboara ankehitriny. Ny ekipam-pirenen’i Angleterre « XV de la rose »anefa hatreto no efa nahazo fandresena be indrindra tamin’ity fifaninanana ity, niis 38 hatramin’ny taona 2017.

Marihana fa efa misy ihany koa ny fifaninanana hoan’ireo andriambavilanitra amin’ity « Tournoi des Six Nations » ity nanomboka tamin’ny taona 1996 ary ny Six Nations Junior latsaky ny 20 taona nanomboka tamin’ny 2008.

Vokatra azo tamin’ny andro voalohany zoma 01 sy sabotsy 02 febroary 2019 :

France 19-24 Galles  ;  Ecosse 33 – 20 Italie  ;  Irlande 20 – 32 Angleterre

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT