Sport

Rugby – Top8 Hifandona amin’ny famaranana ny 3FB sy Cosfa


  • Alatsinainy 11 Mey 2015

Ady boaty ny lalao famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara diviziona voalohany Elita voalohany na ny Top-8.


Ny Cosfa sy 3FB no tafita hiatrika ny famaranan’ny Top-8, taorian’ireo lalao manasa-dalana natao omaly alahady teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Ny Cosfa nanintsana an’ny IRC tamin’ny isa 32-26. Ny 3FB kosa tetsy an-kilany nandavo an’ny FTM tamin’ny isa 32-16. Afa-bela tamin’i Manjakaray izany ry Ngahindriana satria tsiahivina fa ity farany dia lavon’iry voalohany tamin’ny famaranan’ny Top-14 farany teo. Ny alahady izao eny amin’ny kianjan’i Mamahasina no hanaovana ny lalao famaranan’ity Top-8 ity. Voatazon’ny 3FB kosa ny anaramboninahitra tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy vehivavy satria resiny tamin’ny isa 17-13 tamin’ny famaranana omaly ny UAS Cheminots. Ho an’ny junior indray dia ny FTM Analamanga no tafavoaka lah-1 ary voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara. Nandresy hatrany izy ireo tamin’ireo lalao dimy natrehiny nandritra ny herinandro. Ny ekipan’Atsinanana izay lah-2 no nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 63-3 ny alahady teo. Lah-3 kosa Atsimo Andrefana izay nandavo an’i DIANA 27-6 tamin’ny andro farany.

Rasanda Serge

Ny manasa-dalan’ny Cosfa sy IRC omaly teny Andohatapenaka

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT