Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny 3FB. Lavony tamin’ny famaranan’ny Gold Top-8 omaly tetsy Mahamasina ny Cosfa tamin’ny isa 19-17. Marihina anefa fa ny
Miaramila no efa nitarika an’isa 11-9 hatreo am-pialan-tsasatra ary efa nahatitra baolina tokana. Afaka nametraka tsara ny lalaony ny ekipan’ny fahasalamana tamin’ny fidirana fah-2 ary nahatitra baolina iray ihany koa. Lasan-dry Ngahindriana izany ny amboara lehibe niaraka tamin’ny taratasimbola nitentina 1 500 000 ariary. Voahosotra ho mpilalao mendrika Rafaralahy Tiana mpilalaon’ny 3FB izay notolorana 6 hetsy ariary ary mpampidi-baolina be indrindra Ramanoelina Herizo na Lesabotsy mpilalaon’ny IRC izay nahazo 4 hetsy ariary. Efa tsy latsaky ny 15 moa izay ny anaram-boninahitra nasionaly efa eo am-pelatanan’ny 3FB ka ny taona 2011 ny farany talohan’izao. Mikasika ireo vokatra hafa, ny FTM no lah-3 rehefa nampiondrika an’ny IRC tamin’ny isa 30-17, lah-5 TFA izay nandavo an’ny STM tamin’ny moka fohy 28-27 ary lah-7 ny TFMA izay nanilika an’ny UASC tamin’ny isa 50-30. Efa mirafitra izany ny filaharan’ny Top-8 ka nahafahana nandrafitra sahady ny fandaharan-dalaon’ny fiadiana ny amboaran’ny filoha izay hatao amin’ny volana jona io izay ampahefa-dalana avy hatrany. Ny 3FB (lah-1) hifandona amin’ny UASC (lah-8), ny Cosfa (lah-2) hifanandrina amin’ny TFMA (lah-7), ny FTM (Lah-3) hihaona amin’ny STM (lah-6) ary ny IRC (lah-4) hifampitana amin’ny TFA (lah-5). Efa vita omaly koa tany Antsirabe ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara diviziona voalohany ka voahosotra ho tompondaka ny ekipan’Analamanga rehefa nandavo an’i Vakinankaratra tao a-nkianjany tamin’ny moka fohy 18-17. Lah-3 kosa i Boeny, fah-4 Atsimo Andrefana, fah-5 i Bongolava ary fah-6 Atsinanana.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.