Sport

« Rugby Top 6 de l’Océan Indien J-3 » Mbola mitarika an’isa ireo klioba Malagasy


  • Talata 03 Aprily 2018

Nisaraka ady sahala 20-20 ny FT Manjakaray sy ny Etang Salé RCa avy atsy La Réunion tetsy Mahamasina tamin’ny alahady 01 aprily 2018, teo amin’ny andro faha-3 amin’ny fifaninanana TOP 6 Rugby de l’Océan Indien 2018.

Ny Malagasy tamin’ny alalan’i Lahatra no nahatonga baolina nentin-tanana voalohany tany amin’ny minitra faha-10 ary tany amin’ny minitra faha-40. Ny Ftm Manjakaray no nitarika an’isa 15-10 teo am-pialantsasatra ary mbola nitarika 20-15 hatrany amin’ny minitra faha-77saingy nosahalain’ny Etang Salé tany amin’ny fe-potoana fanampiny nihoatra ny 80 minitra nilalaovana. Noho ilay fandresena azony nanoloana an’i Maurice 47-3 anefa dia mbola mitarika ao amin’ny Vondrona A misy azy ny Ftm Manjakaray. Mbola mitarika toy izany koa ao amin’ny Vondrona B ny ekipan’ny Cosfa Madagasikara na dia lavon’ny St-Paul Rc tamin’ny 26-20 aza tamin’io alahady 01 aprily 2018 andro faha-3 io satria navesa-danja ilay fandreseny ny  Mahorais 67-7 teo aloha. 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT