Sport

Rugby Top 6 de l’Océan Indien 2018 Lavon’ny Ftm Manjakaray ny Curpipe Maurice


  • Talata 10 Aprily 2018

Taorian’ny ady sahala 20-20 nifanaovany tamin’ny Etang Salé Rugby Club avy atsy La Réunion tamin’ny andro faha-3 notontosaina ny 01 aprily teo tetsy Mahamasina dia nitohy indray ny fahombiazan’ny ekipa Malagasy, ny Ftm Manjakaray eo amin’ny fifaninanana lalao rugby Top 6 de l’Océan Indien ka ny alahady teo tetsy Mahamasina ihany dia lavony tamin’ny 56-16 ny Highlan Blues Curpipe Starlight avy atsy Maurice.

 

 Ny Rugby Club St Paul La Réunion kosa dia nandresy ny Sélection du Comité Territorial de rugby de Mayotte 40-5 tany amin’ny kianjan’i Sabiani any La Réunion tamin’io alahady 8 aprily teo. Niala sasatra kely ny ekipan’ny Cosfa Malagasy eo amin’ity fifaninanana ity saingy nanao lalao ara-pirahalahiana tamin’ny ekipan’ny Stm Savony ho fanomanan-tena amin’ny hiatrehana ny lalao miverina hifanandrinany amin’ny ekipa voafantin’i Mayotte amin’ity faran’ny herinandro ity ka nahazo fandresena 47-26.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT