Rugby Top 20

Tonga amin'ny tsotsorimamba hisarahana


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Andron'ny lavalava ny alahady ho avy izao etsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka.

Hotontosaina amin’io andro io mantsy ny ankatoky ny famaranana ny Top 20. Mazava ho azy fa raha tsy nisy fahagagana hatreto dia ireo sangany no hifandona. Hanokatra ny lalao amin’ny 1ora àry ny FTM Manjakaray sy ny USCAR. Raha tompondaka farany ny Manjakaray ary mbola ho sokajina hitazona izany anaram-boninahitra izany dia tsy azo tsinotsiniavina ry zareo Kaominin'Antananarivo Renivohitra izay nanatevina ireo mpilalao. Tsy fantatra aloha raha efa miditra fifidianana ilay politika fa dia misy tonga ireo "Gros Bras" manatevina ity ekipa izay mbola maro mpanohana ihany koa. Ny lalao faharoa amin'ny 3ora dia adin'ny sokina efa mifankahita satria dia ny COSFA no hidona amin'ny 3FB izay niverina nahazo hery kely tato ho ato rehefa nataon'ny olona lalana rehefa tsy nilalao intsony ireo andrarezina toa an'i José. Na izany aza efa miatrana am-bava basy koa ny miarimila satria dia tsy misy indrafo io fa baiko midina. Io fandresena sy fahazoana ny Top 20 no mitondra ireto miaramila makany La Réunion mba miova kely amin'ilay mipetraka anaty kamio etsy Soarano rehefa misy korontana. Hamono tena ireto COSFA ireto noho izany. Mba marina moa !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT