Sport

Rugby – Top 20 Nandravarava ny ekipan’Ambalavao Isotry


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Montsan’ny 3FAI Ambalavao Isotry tamin’ny isa mazava 39 noho 13 ny ekipan’i FTA Andavamamba omaly nandritry ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja Rugby na « Championnat de Madagascar federal 1 »,

 izany hoe, teo amin’ny andro faha 4 amin’ny Top 20. Azo lazaina ho tena nandravarava ny ekipan’Ambalavao tamin’ity lalao omaly ity ary nanidy tanteraka ny lalaon’ny FTA. Tetsy ankilany dia nampianatra ny UASC Rugby ihany koa ny ekipan’ny kaominin’Antananarivo renivohitra na ny USCAR satria dia montsan’izy ireo tamin’ny isa 34 noho 16 ny mpifanandrina taminy. Tontosa omaly koa moa ankoatran’ireo ny fihaonana teo amin’ny SCB sy XV FA ka nivoaka mpandresy tamin’ny isa 29 noho 19 ny SCB. Azo lazaina ho moka foy kosa no nandresen’ny USA Ankadifotsy ny FTBA Andohatapenaka tamin’ny isa 22 noho 18.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT