Sport

Rugby Top-14 Tsara toerana ny 3FB, IRC, USA ary SOE


  • Talata 08 Septambra 2015

Fileovana efatra, dia ry Ngahindriana, Ny Kaominina, Ankady ary ny Stady, hatreo amin’ny andro faharoan’ny Top-14 no nahavita nandresy hatrany tamin’ireo lalao roa efa nataony. Ny 3FB teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka nandavo an’ny UASC tamin’ny isa 34-17

 

. Ny IRC kosa ny alahady nandresy an’ny XV Family tamin’ny isa mazava 41-22. Ny US Ankadifotsy nanilika an’ny US Ikopa tamin’ny isa 33-26 ary ny SOE nampiondrika an’ny TFA Anatihazo tamin’ny isa 11-8. Nirava sahala kosa ny fihaonana teo amin’ny Cosfa sy STM tamin’ny isa 14-14. Anisan’ireo efa nahazo fandresena moa ny Miaramila tamin’ny andro voalohany. Nirava sahala 11-11 koa ny fihaonan’ny TFMA sy TAM ekipa izay samy tsy mbola nahazo fandresena ireo tamin’ny andro voalohany. Nisantatra fandresena kosa ny FTM izay nandavo an’ny JSTA tamin’ny isa 34-24. Saika ireo Boaty aloha hatreto izany no tena misongadina.

Rasanda Serge

Voatazon’ny Savony sahala ny Miaramila (maitso)

Vokatra :

FTM-JSTA (34-24)

STM-Cosfa (14-14)

3FB-UASC (34-17)

IRC-XV Family (41-22)

USA-USI (33-26)

TFMA-TAM (11-11)

SOE-TFA (11-8)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT