Sport

Rugby Top-14 Tsara toerana ny 3FB, IRC, USA ary SOE


  • Alatsinainy 07 Septambra 2015

Fileovana efatra, dia ry Ngahindriana, Ny Kaominina, Ankady ary ny Stady, hatreo amin’ny andro faharoan’ny Top-14 no nahavita nandresy hatrany tamin’ireo lalao roa efa nataony

. Ny 3FB ny sabotsy teo teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka nandavo an’ny UASC tamin’ny isa 34-17. Ny IRC kosa ny alahady nandresy an’ny XV Family tamin’ny isa mazava 41-22. Ny US Ankadifotsy nanilika an’ny US Ikopa tamin’ny isa 33-26 ary ny SOE nampiondrika an’ny TFA Anatihazo tamin’ny isa 11-8. Nirava sahala kosa ny fihaonana teo amin’ny Cosfa sy STM tamin’ny isa 14-14. Anisan’ireo efa nahazo fandresena moa ny Miaramila tamin’ny andro voalohany. Nirava sahala 11-11 koa ny fihaonan’ny TFMA sy TAM ekipa izay samy tsy mbola nahazo fandresena ireo tamin’ny andro voalohany. Nisantatra fandresena kosa ny FTM izay nandavo an’ny JSTA tamin’ny isa 34-24. Saika ireo Boaty aloha hatreto izany no tena misongadina.

Rasanda Serge

Voatazon’ny Savony sahala ny Miaramila (maitso)

Vokatra :

FTM-JSTA (34-24)

STM-Cosfa (14-14)

3FB-UASC (34-17)

IRC-XV Family (41-22)

USA-USI (33-26)

TFMA-TAM (11-11)

SOE-TFA (11-8)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT