Sport

Rugby – Top 14 Hitifitra an’i Manjakaray ny Flesy


  • Zoma 18 Septambra 2015

Hanamarika ary hanakatona ny andro fah-4 amin’ny Top-14 ny alahady izao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny adin’ny samy kartie eo amin’ny FTM Manjakaray sy TFMA Ankasina.

 Marihina fa anisan’ny fileovana tsara toerana izao ny ekipan’i Manjakaray izay efa nahazo fandresena roa ary nanao sahala tamin’ny USA Ankadifotsy tamin’ny andro fah-3 farany teo. Ny Boay kely manohitra kosa raha tsiahivina dia nanilika an’ny XV Family ny faran’ny herinandro teo. Alohan’io dia hifampitana ny 3FB sy SOE. Fileovana samy efa nahazo fandresena roa koa ireo. Ny ekipan’ny fahasalamana moa dia nirava sahala tamin’ny TFA Anatihazo ny faran’ny herinandro teo ary ny SOE kosa niondrika teo anoloan’ny Miaramila. Lalao anisan’ny hanamarika ny andron’ny sabotsy ny fifanandrinan’ny USA Ankadifotsy sy Cosfa. Ny Bekintana dia ekipa efa nahavita nahazo fandresena roa ihany koa ary nanao sahala tamin’ny FTM tamin’ny andro faha-3. Hanokatra hatrany ireo lalaon’ny Top14 moa ireo lalao tafiditra amin’ny Top8 ho an’ny sokajy vehivavy.

Rasanda Serge

Fandaharandalao :

Sabotsy 19 septambra

Top8 vavy

7:30-JSM#UASC

9:00-3FB#Rosa

10:30-SCB#Mata

Top14

12:00-IRC#USI

1:30-USA#Cosfa

3:30-XV Family#TFA

Alahady 20 septambra

Top8 vavy

8:00-FTFA#SabNam

9:30-UASC#TAM

Top14

 

11:00-JSTA#STM

1:00-3FB#SOE

3:00-FTM#TFMA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT