Sport

Rugby Top-14 Hangotraka ny ady boatin’ny Ngahindriana sy Besetroka


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Taorian’ny fiatoana roa herinandro noho ny fisian’ilay fifaninanana ho an’ny sokajy U21 ho an’ireo boriborintany sy seksiona manodidina an’Antananarivo ary ireo ekipa voafantin’ny faritra dia hiverina hitohy indray ary hiditra amin’ny andro faharoa ny faran’ny herinandro izao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga D-1 na ny Top14.

Anisan’ireo lalao telo hanamarika ity andron’ny sabotsy ity fifandonan’ny 3FB sy UASC. Marihina fa anisan’ireo tsara fanombohana efa nisalotra fandresena ny ekipan’ny fahasalamana tapa-bolana lasa izay. Mbola hihaona alohan’io ny FTM sy JSTA ary ny fifanandrinan’ny STM sy Cosfa. Efa nibata fandresena tamin’ny andro voalohany koa raha tsiahivina ny Miaramila. lalao efatra kosa no voalahatra ny alahady ka nosafidiana hanakatona ny fotoana ny fifanandrinan’ny SOE sy ny TFA Anatihazo. Tsiahivina fa ny Menavalahana dia  fileovana tsara fanombohana taorian’ny nadavoany ny TFMA (24-19). Ity farany kosa hidona amin’ny TAM, adin’ny ekipa samy efa resy io. Lalao andrasan’ny maro koa ny alahady ny fifanandrinan’ny USA Ankadifotsy sy ny USI Ikopa. Fileovana efa nandrombaka fandresena tamin’ny andro voalohany ihany koa ny Bekintana.

Fandaharan-dalao

Sabotsy 5 septambra :

11:00-FTM#JSTA  ;  1:00-STM#Cosfa  ;   3:00-3FB#UAS.

Alahady 6 septambra : 9:00-IRC#XV Family ; 11:00-USA#USI ; 1:00-TFMA#TAM

 3:00-SOE#TFA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT