Sport

Rugby tompondakan’Analamanga Nitohy tetsy Malacam indray


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Tsy mety misy fifanarahan-kevitra eo amin’ny disadisa misy eo amin’ny tontolon’ny baolina lavalava ankehitriny.

Samy mbola mitana ny heviny hatrany ireo mpifanandrina izay tarihan’ny  Malagasy Rugby an-daniny ary izay miaraka amin’ny Analamanga Rugby an-kilany. Raha notaterina teto afak’omaly fa nanatanteraka hatrany ny fifaninanana karakarainy teny amin’ny kianja Makis teny Andohatapenaka ny  “Commission Technique Fédérale” miaraka amin’ny Malagasy Rugby dia nanohy ny fiadiana ny ho tompondakany koa tetsy amin’ny kianja Malacam ry zareo ao amin’ny Analamanga Rugby ny alahady teo. Nanamafy ny iray amin’ireo filohan’ny fileovana 9 mandray anjara amin’ny hetsika, dia Andriatsara filohan’ny Tfma Ankasina fa rafitra voafidy ara-dalàna ny Analamanga Rugby arahin-dry zareo ary voalazan’ny sata mifehy ny rugby à XV fa raha tsy misy fahadisoana miverimberina ataon’izany rafitra izany tsy azo saziana izy. Izahay klioba 9 tao amin’ny Top 14 voalaza teo kosa dia noho ny tsy fetezanay midina hilalao eny anivon’ny seksiona no nanasazian’ny Malagasy Rugby anay.

Voka-dalao tetsy Antanimena tamin’ny alahady 20 aogositra

Seksiona Antananarivo Renivohitra : 3Fai  47 –  07 Aigle Noire ; Cosm du sud  16 – 17 Tsiadana.

Lalaon’ny ligy : Soe 16 – Irc 19 ;  3Fb 28 – 16 Uasc ; Tam 27 – 22 Tfma.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT