Rugby_Tompondaka eran-tany

Lasan'ny Afrika Atsimo ny Amboara


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Tontosa ny sabotsy teo tany Paris ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany eo amin'ny rugby.

Nivoaka mpandresy ny Springboks Afrikanina Atsimo nanoloana ny All Blacks amin'ny isa 12 noho 11. Isa kely satria samy mafy fiarovan-tena ny Tia tonta. Tsy nahay nanararaotra ihany koa anefa i Nouvelle-Zélande satria vao minitra vitsy dia nivoaka noho ny ratra i Bonambi, ilay andrarezin'i Afrika Atsimo. Mbola nahazo karatra mavo koa ny kapiteniny fa rehefa tsy mety izay dia ny ranovola aza misy voay. Izay no azo hanazavana ireo baolina telo nodakana nefa tsy matin'ny All Blacks. Na izany aza mirehareha ny kaontinanta Afrika iray manontolo taorinan'ny iny fandresena faninefany an'ny Springboks iny raha telo kosa ny an'ny All Blacks.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT