Sport

Rugby tetsy Malacam Voatanan’ny XV Family ady sahala ny Irc


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Mitohy hatrany ny fifaninanana rugby etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena tarihan’ny ligin’Analamanga na dia teo aza ilay fanatanterahana fifidianana hoe hanoloana an’i Andry La Pie mpitarika azy.

 

 Nitohy teny an-toerana omaly alahady ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny “coupe d’Analagamga rugby” ka nahitana ny fandresen’ny Tfma Ankasina 27-20 an’ny Matadore Anosipatrana teo amin’ny lalao voalohany ary ny nahatazoman’ny XV Family ady sahala 21-21 an’ny Irc tompondakan’Analamanga farany. Efa nitarika an’isa 21 no ho 9 aza ny XV Family teo am-pialantsasatra. Teo amin’ny lalao ankatoky ny famaranan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra D-2 elite II kosa dia resin’ny Cosm du Sud Anosibe 11-9 ny Jamaic Anosibe ihany koa. Nirava tsy lera kosa teo amin’ny faha-98 minitran’ny fihaonana ny lalaon’ny 3Fai sy ny Ftat noho ny tsy faneken’ity farany ny hors-jeux azon’ny 3Fai ka tsy navelany notsaraina tamin’io ora io. Efa nitarika 15-13 ny Ftat tamin’io.

Ntsoavina Evariste

                                 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT