Sport

Rugby tetsy Malacam Voahosotra ho tompondakan’Analamanga vehivavy ny 3Fb


  • Talata 06 Febroary 2018

Niara-dalana tamin’ny fanombohan’ny fiadiana ny amboaran’Analamanga tetsy amin’ny kianja Malacam notontosaina tamin’ny alahady 4 febroary 2018 teo ny lalao famaranana tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga 2017 amin’ny lalao rugby Malagasy.

Voahosotra ho tompondakan’ny rugby vehivavy eto Analamanga ny ekipan’ny 3Fb nandavo ny Uas Cheminots tamin’ny isa 25-14.   

Tonga nanolotra ny amboara niaraka tamin’ny filohan’Analamanga rugby Andry La Pie, ny « 1er sécrétaire » ny Usaid eto Madagasikara sy ny mpanolotsaina voalohan’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo eto amintsika.

Ireo voka-dalao rehetra tamin’ny alahady 4  febroary 2018 :

Lalaon’ny seksiona Antananarivo Renivohitra

Cpi Isotry 10 – 08 Scm Mandialaza

Coupe Analamanga 2017

Soe 12 – 16 Irc  ; Uasc 20 – 22 Matadore A ; 3Fb 27 – 34 Tam

Famaranana rugby vehivavy Analamanga

3Fb 25 – Uasc 14

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT