Sport

Rugby tetsy Malacam Noroahin’ny 3FAI ny omby natao amboara


  • Talata 26 Desambra 2017

Ny fileovana 3FAI tantanan-dRtoa Raissa no nandroaka omby voalohany avy ao amin’ny kianja Malacam Antanimena taorian’ny niverenan’ireo mpilalao rugby nilalao tao amin’ity kianja ity taorian’ny nanatsaran’ny Madarail tompon-toerana azy.

Na dia tsy vita hatramin’ny farany aza fa voatery noravana nialoha kelin’ny “gong”  famaranana ny lalao nihaonan-dry zareo tamin’ny CPI Isotry teo amin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksion’ny rugby Antananarivo Renivohitra tantanan-dRabera dia ry zareo 3FAI no nitarika an’isa 17-15. Ny savorovoro nasehon’ireo mpijery mpomba ny an-daniny sy ny an-kilany sy fandakan’ny staff technique ny CPI ny mpitsara an-jorony no antony nanajanonan’ny mpitsara ny lalao. Nahavariana ihany koa fa nisy mpilalaon’ny CPI Isotry nahazo karatra mena nefa nisalotra aron’akanjon’ny staff ka nijanona tao amin’ny faritra natokana ho azy ireo indray ary dia nitabataba niteny ratsy sy nanompa tompon’andraikitra teny amin’ny tribune koa aza.

 

Ireo vokatra hafa :

Seksiona – Antananarivo Renivohitra

SCM/CFM 03 – 03 Tafia

FTAT 08 – 03 TMA

XVVolks 19 – 12 CEA

3FAI 17 – 15 CPI

Ankatoky ny famaranana vehivavy tompondakan’ny Ligy

3FB 45 – 05 Fanjan’Anjanahary

UASC 18 – 03 JSM Mahamasina

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT