Sport

Rugby teny amin’ny kianjan’i Makis Rava tsy lera ny fihaonan’ny Asa st XV Avenir


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Raha nizotra antsakany sy andavany ireo lalao rehetra nokarakarain’Atsimondrano sy « Comité Technique Tanà-Ville »

 

 tarihan’i Christian sy ny namany ny tontolonandron’ny omaly alahady   8 jolay 2018 dia rava tsy lera kosa ny fihaonana farany « Elite Régionale » nifanandrinan’ny Asa Ambohimanarina sy ny XV Avenir Andohatapenaka noho ny tsy fifankazahoan-kevitra nisy ka nanenjehan’ny mpilalao sasany ny mpitsara lalao mihitsy tamin’izany. Fantatra fa mbola nisy hatrany amin’ny 20 minitra tany ho any ny ora tokony mbola hilalaovan’ny roa tonta nefa dia io rava tsy lera tamotampoka io. Nitarika tamin’ny isa 6-3 ny Asa tamin’izany. Ny lalaon’ny D-1 ady omby nifanandrinan’ny Fitamiba Behoririka sy ny Tam 67 ha kosa dia nahitana ny fandresen’ny Fitamiba mazava 16 -9 ary vita hatramin’ny farany na dia nisy savorovoro niseho koa aza tany amin’ny fiafaran’ny lalao.

Ireo vokatra hafa :

1/2-famaranana D-2 Atsimondrano : Fta A/manalina 0 – 0 Voromahery A/tapenaka (nandresy tamin’ny fahazahoan’ity farany karatra men any Fta   ;  XV Pyramide 9 – 7 Ftaa 

Famaranana  ady omby nomen’ny CttV 2016-2017 : Cfa Basta 0 – 15 XV Cousin

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT