Rugby

Tafita ho any Durban ny Ladies Makis


  • Zoma 10 Mey 2024

Saika ratsy fa dia tafita hiady ny Amboara eran-tany amin'ny diviziona fahatelo (WR XI 3) ihany ny

Ladies Makis raha nandresy 12 noho 5 ny Cameroun ny alarobia teo tetsy Andohatapenaka. Tsy tahaka ny tamin'ny fihaonana nanoloana ny Kenya fa tonga dia tafiditra ny Ladies Makis ary notsindrian'i Erica teo amin'ny H ny baolina ary voatsara.Nijanona teo amin'io isa io elaela ny lalao ary taty aorina vao nahatsindry baolina ny Cameroun ka tafaporitsaka tao anaty tangorona.Taty amin'ny fizaram-potoana faharoa vao nanindry baolina iray ny Ladies Makis saingy tsy voatsara dia nahatonga io isa 12 sy 5 farany io.Ampy hahatafita an'i Fenitra be sy ireo namany any Durban, any Afrika Atsimo anefa izany satria aleo tsy eritreretina izay hanjo ny Makis manoloana ny Springbok Afrika Atsimo. Nataony nahita indray koa mantsy i Kenya ny alarobia ka tsy nijanona izy ireo raha tsy 58 noho 5.Azo refesina amin'izay ny elanelana misy amin'ny Afrika Atsimo sy ny firenena hafa.Misy aza teny Andohatapenaka tamin'ny alarobia no miteny hoe ka na ny Makis lehilahy aza ve tsy atahorana manoloana ireto Springbok ireto ? Aoka kosa nama a !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT