Sport

Rugby – Super Coupe Sady montsan’ny FTM no ho voasazy ny 3FB


  • Alatsinainy 27 Jolay 2015

Tsy nahafa-po ny maro ny voka-dalaon’ny “Super Coupe” omaly izay nanamontsanan’ny FTM an’ny 3FB. Nanambara ny federasiona fa hanasazy.

 


Tsy mbola nisy ohatr’ity! Nomontsanin’ny FT Manjakaray, tompon’amboaran’ny filoha sy Top14 Analamanga, tamin’ny isa mavesatra 97-31 ny 3FB, tompon-dakan’i Madagasikara omaly tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Efa nitarika malalaka 45-16 ny Dakar hatreo am-pialantsasatra.

“Hita fa tena tsy nifandanja ireo ekipa ireo. Efa manomboka koa ny taom-pilalaovana dia nampihatra endri-dalao vaovao izahay ary nety ilay izy” araka ny nambaran’Andriamaro Hajasoa Maminarivo, mpanazatran’ny FTM. Tafavoaka nandresy kosa ny Cosfa tompondakan’i Madagasikara lefitra tamin’ilay lalao ho an’ireo fileovana tompon-daka lefitra, nandavo an’ny resy TFA tamin’ny isa 24-22 ary efa nitarika 19-6 ny miaramila teo ampialan-tsasatra.

Miala any ny sazy

Tsy nahafa-po ireo mpijery sy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny rugby, Rakotomalala Marcel io voka-dalaon’ny FTM sy 3FB io. “Vita soamantsara aloha ny taom-pilalaoavana 2014 ary nisokatra kosa ny taom-pilalaoavana vaovao 2015. Mikasika ny lalao farany teo kosa dia tsy hitaza-potsiny ny federasiona fa hanasazy, hampiantso tompon’andraikitry ny 3FB fa manala-baraka ny rugby Malagasy sy ny 3FB ireny natao teo ireny.”

Ireo fifaninanana eto an-toerana no nikatona fa mbola maro ireo fihaonana iraisam-pirenena ao anaty fandaharam-potoanan’ny federasiona toy ny fiatrehan’ny Makis “junior” ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika any Tonizia, ny fifaninanana ho an’ny U21 amin’ny aogositra ary ny fifanintsanan’ny Lalao Olimpika hatao Afrika atsimo.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT