Sport

Rugby sokajy Federaly 2 Tompondaka ny Uasc Besetroka


  • Talata 18 Febroary 2020

Tsy nisakana ny fanarahana ny lalao famaranana rugby sokajy federaly 2 notontosaina teny amin’ny kianja Makis

 

 Andohatapenaka, afak’omaly alahady 16 febroary 2020, ny orambe nijojo nandritra io lalao io. Tafavoaka ho tompondakan’i Madagasikara ny Uasc Cheminots Besetroka rehefa nandavo ny Mang’art Manjakaray 16-09 (efa nitarika 10-03 ry zareo teo am-pialantsasatra). Ireto ekipa 2 ireto izany no miakatra any amin’ny sokajy federaly 1 amin’ny taom-pilalaovana ho avy. Ny fileovana Fbm Bemasoandro nandresy ny Soe Stade 21-18 no nitana laharana faha-3 tamin’ity fifaninanana ity.

Teo amin’ny vokatr’ireo lalao fiadian-toerana sokajy federaly 1 Gold Top 20-2019 koa no nahazoana ny vokatra :

Ftma Ankasina 34- 25 3Fai Vakinankaratra

Ftm Manjakaray 22 – 19 Cnaps Matsiatra Ambony.   

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT