Sport

Rugby Seksiona Antananarivo-Renivohitra Tompondakan’ny sokajy D-1 Elite II ny 3Fai


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Ny 3Fai Ambalavao Isotry tantanan-dRtoa Rakotonirina Raissa no voahosotra ho tompondakan’ny seksionin’ny rugby eto Antananarivo-Renivohitra raha nandavo ny Cosm du Sud Anosibe 17-06 omaly teo amin’ny lalao famaranana natao tetsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena.

 

 Nifoha tamin’ny torimaso nahazo azy ity ekipan’Ambalavao Isotry ity raha somaly nangingina ihany tao anatin’izay fotoana elaela izay. Nisy ny ezaka be natao, hoy Rtoa Raissa filohany, tonga nanatrika ny fihaonana tetsy Antanimena, asa be mihitsy no nataonay ka nahazoana an’izao vokatra izao, hoy izy, ary mbola hoezahina ny hivoaran’ireo ankizy eny amin’ny fiaraha-monina amin’ny ho avy. Ankoatra ny medaly sy amboara ary sertifika azon’ity ekipan’ny 3Fai ity dia norombahin’izy ireo koa ny omby natao amboara tamin’ity fifaninanana ity.

 

Vokatra rehetra azo tetsy Malacam omaly alahady :

 

Andro faha-5 sokajy D-2 Tanà-ville

Aigle Vert  18 – 06  Rcaa

Ftva  19 – 12  Matadorea

Fiadiana laharana faha-3 D-1 Elite II Tanà-ville

Ftat  29 – 09  Jamaica

Famaranana D-1 Elite II Tanà-ville

3Fai  17 – 06  Cosm du Sud

Top 9 « Coupe d’Analamanga »

Tfa Anatihazo  22 – 19  Tam Anosibe

 

Marihana fa nisy fahanginana iray minitra nialohan’ny lalao ho fahatsiarovana an-dRandriambololona Jean Francis mpilalaon’ny Tfma nodimandry ny sabotsy 03 martsa ary halevina anio 5 martsa 2018.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT