Sport

Rugby – Seksiona Antananarivo renivohitra : Lalao D1 dimy no hanamarika ny andro faha-23 anio


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Mbola mitohy hatrany ireo fifaninanana tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo renivohitra amin’ny taranja rugby, tafiditra amin’ny taom-pilalaovana 2009 lasa iny.

Nitatra be tokoa moa ny fotoana nanaovana ny fifaninanana ity noho ny hamaroan’ireo fileovana mandray anjara sy ireo sokajy nifaninanana. Anisan’ny nampitarazoka ny fifanintsanana rahateo ny tsy fahampian’ny kianja, na dia teo aza ny fampiasana kianja hafa toy ny eny Ivandry sy Anosizato, ankoatra ny etsy amin’ny Malacam Antanimena. Hiditra amin’ny andro faha-23 ny fifaninanana anio Sabotsy etsy amin’ny Malacam ka fihaonana dimy ao amin’ny sokajy diviziona voalohany (D1) no hanamarika ny fotoana anio tontolo andro ary amin’ny 8 ora marina dia efa hanomboka ny lalao voalohany. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’ny FTA Andavamamba sy ny FTAT Anosibe ao amin’ny vondrona C izay hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro sy ny lalao hifanandrinan’ny Cosfa sy Hiza 17 avy eny Angarangarana izay ao amin’ny vondrona F ka hanomboka amin’ny 12 ora sy sasany kosa io fihaonana io.

Hery Rabe
 
Fandaharan-dalao anio
Andro faha-23
Diviziona voalohany (D1)
8 : 00 (D) - AFA (Ankazomanga) – Vatobe (Ambohimanarina)
9 : 30 (A) – VTMA (Antsalovana) – AMI (Itaosy)
11: 00 (E) – Espoir (Tsiadana) – CAM (Ankazomanga)
12 : 30 (F) – Cosfa – Hiza 17 (Angarangarana)
2 : 00 (C) – FTA (Andavamamba) – FTAT (Anosibe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT