Rugby – Seksiona Ant

Rev Kandida hofidiana ho filoha amin’ny 2010-001 indray i Fafah


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Nampahafantarina am-pomba ofisialy tetsy amin’ny Falda Antanimena omaly ny filatsahan-dRazafiarison François Xavier (Fafah) hofidiana ho filohan’ny seksionan’Antananarivo renivohitra (AR) amin’ny rugby.

Filohan’ny fileovana Morarano rugby, filohan’ny fikambanana ABQ (Association des Bas Quartiers) no efa nahafantarana ny lehilahy ary efa lany filohan’ny seksiona AR tamin’ilay didim-panjakana 2008-1061, herintaona lasa izay, saingy nofoanana avokoa ireo fifidianana rehetra teo aloha tsy mifanaraka amin’ilay didim-panjakana vaovao 2010-001. Efa nahatafatsangana komity mpanohana isak’ireo boriborintany enina ity kandida ity ka saika efa “manohana azy ny ampahany betsaka amin’ireo fileovana eny anivon’ireo boriborintany ireo”. Voalaza koa fa manohana ity kandida ity ireo fileovana D1 ao amin’ny Champion’s league. “Hanohy ireo efa natomboka ny ekipako, toy ny fizarana fitaovana ho an’ireo fileovana sy ny famitana ny fiadiana ny tompondaka izay andro roa sisa dia hifarana ny fifanintsanana ka aorian’ny fifidianana no hamitana izany”, hoy ity kandida ity. Anisan’ireo asa mivaingana notanisain’i Fafah ny fizarana kara-pilalaovana maimaimpoana tamin’ireo fileovana 25 tamin’ireo 180 (D1E2:48, D2:72, D3:70) tantanin’ny seksiona miatrika ny fiadiana ny tompondaka. Nananosarotra ny fikarakarana ny fifaninanana toy ny fahazoana kianja sy noho ny fingampingana nataon’ny sekretera jeneraliny ihany izay lasa kandida hifaninana aminy. “Tsy hiova akory ireo mpifidy izay efa nadany ahy teo aloha” hoy i Fafah, matoky tena fatratra. Fanosoram-potaka koa ny filazana fa nidiran-trosa ny seksiona fa tokony hanome porofo izay manaparitaka izany tsaho izany, hoy ihany izy. Tsy mbola voafaritra mazava moa ny daty hanaovana ny fifidianana izay tokony hiandry ny sata mifehy avy amin’ny federasiona.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT