Tontosa teny amin’ny kianjan’Alarobia tamin’ny sabotsy 11 janoary 2020 teo ny lalao ara-pirahalahiana amin’ny taranja rugby à XV nifanandrinan’ny RFAM “Rugby Force Anosizato Miray”
izay manomana fatratra ny hidiran’izy ireo ao anivon’ny rafitra seksion’ny rugby ao Atsimondrano amin’ny taom-pilalaovana ho avy izao tamin’ny fileovana D-2 XV Centre Ambohimanarina ary nahazoana ny vokatra Rfam 23-10 XV Centre. Nambaran’Atoa Andrianaivo Heriniaina filohany fa mahavelom-bolo ny lalao nasehoan’ireo mpilalao tantanany hatreto ka mendrika ny fankasitrahana izao zava-bitany izao ka dia nentiny niara-nisakafo tao amin’ny Gastro Pizza teny Antanimenakely izy ireo taorian’ity lalao ity. Io ilay endrika “3 è mi-temps” amin’ny lalao rugby.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.