Rugby

Resin'i Maroc 53 - 37 i Madagasikara


  • Alatsinainy 25 Novambra 2024

Tsy nisy dinika fa dia nandresy indray ny Maraoka nanoloana ny Makis omaly tao amin'ny famaranana ny Vondrona B

hiadiana izay ho tompondakan'i Afrika.Tsy nahita afitsoka dia niondrika 37 noho 53 no isa nosarahana.Tsy misy tantaraina firy koa teny ambony kianja tany Casablanca fa tena Davida sy Goliath. Saingy tsy toy ilay ady fahiny fa resin'ny Goliath Maraokanina ny Davida malagasy.Tena hoe manao kely tsy mba mamindro raha vao rugby no resaka.Ny antsika rahateo tsy vitan'ny hoe kely fa mbola tsy ampy sakafo.Na teo amin'ny didy ankanjo aza dia tena voa ny Makis satria dia manao fanamiana tsy mitovy aza mandritra ny fanazarantena.Aza ve dia misy manao ny akanjon'ny Frantsay ireo Makis sa dia tena mitazana fotsiny ny minisitera mpiahy. Ary mba aiza ireo mpanohana ? Tena mampalahelo ny mahazo ity taranja ity hatreto.Ny faritra iva anefa no tena mankafia azy ary manao izany ho asa fivelomana mihintsy aza Mila ezaka sy fanovana goavana raha te hivoatra ary mila mitrandraka ireo mpilalao mihoatra ny 110 kg fa raha tsy izany dia ataon'ny olona tsy mahita mangirana.Izay aloha izany no vita fa miverina mianatra indray satria na ny fifaninanana eto an-tanàna aza efa tsy mitondra lavitra intsony. Raha tsy hoe Lalaon'ny Nosy angaha.Nefa ve dia hanaiky ny rugby ho isan'ny taranja hifaninanana ry zareo Kômôrianina ? Mampieritreritra
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT