Lasa ny mamba, misosoka ny voay ! Vita ny fiadiana ny amboaran’ny filoha dia miala any indray ny fiadiana ny amboaran’ny oseana Indiana hokarakarain’ny Malagasy Rugby eo ambany fiahian’ny AROI, rafitra misahana ny taranja aty amin’ny ranomasimbe Indiana.
Hotontosaina ny alahady izao indray io fifaninanana rezionaly io izay heverina hatao eny amin’ny kianjan’Alarobia satria tsy hoeken’ny reniôney ny hilalao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka noho ny efa fahasimban’ny bozaka loatra. Heverina hakatona noho ny fanamboarana mihitsy aza ny kianja Makis, araka ny nambaran’ny filohan’ny federsiona, Rakotomalala Marcel. Lalao goavana telo no voalahatra amin’io andro io ka hanokatra ny fotoana amin’ny 11 ora maraina ny lalao fitsapana hihaonan’ny Makis A sy B izay manomana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Aorian’io, amin’ny iray ora tolakandro ny fihaonana eo amin’i Mayotte sy Boeny. Ity farany izay efa nijanona eto an-drenivohitra taorian’ny lalao natao ny sabotsy teo, manomantena eny amin’ny kianja Makis miaraka amin’ireo teknisianin’ny federasiona. Ny lalao goavana tena andrasan’ny maro moa dia ny fifanandrinan’ny FTM tompondakan’i Madagasikara sy ny Saint Paul tompondakan’i La Réunion, amin’ny 3 ora tolakandro. Ny alakamisy izao no ho tonga ireo delegasiona avy any amin’ireo nosy rahavavy.
Efa miatrana ny FTM (manga)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.