Sport

Rugby – Oseana Indiana


  • Alatsinainy 01 Jona 2015

Nataon’ny 3FB telimoka ny St Pierre avy any la Réunion Samy nigoka fandresena ny 3FB sy ny Cosfa nandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indiana omaly. Tsy nataony afa-bela ary voatazon’ny 3FB ny anaramboninahitra azony ny taona 2011. Nanjakan’ny malagasy mpampiantrano tamin’ny ankapobeny ny fiadiana ny


tompondakan’ny Oseana Indiana ho an’ireo klioba tompondaka tamin’ny sokajy samihafa izay natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka omaly. Tsy ampy noresen’ny 3FB tompondakan’i Madagasikara ny RC Saint Pierre tompondakan’i la Réunion tamin’ny lalaon’ny samy ngeza tena nandrasan’ny maro. Nomontsanin’ny ekipan’ny fahasalamana tamin’ny isa mavesatra 51-17  mantsy ry zareo renioney. Baolina fito no voaatitry ny ekipan’ny fahasalamana nandritra io fihaonana io ka anisan’ny tompomarika tamin’izany ry Rija, Rabe, Faniry, Alain, Dà ary Rakom. Baolina roa monja kosa no voatitry ny vahiny. Tetsy an-kilany resin’ny Cosfa tompondaka lefitr’i Madagasikara mazava tamin’ny isa 43-23 ny Western Cowboys avy any Maorisy. Baolina fito ihany koa no voatitry ny miaramila nandritra ity fihaonana ity raha telo ny an’ny maorisianina. Ny ekipan’Alaotra Mangoro irery no namotsotra teo amin’ny sokajy D2 izay lavon’ny Mamoudzou avy any Mayotte tamin’ny isa mavesatra 45-3. Teo amin’ny adin’ny samy kartie eto an-tanàna dia lavon’ny TFA tamin’ny isa 25-16 ny TFMA. Hitohy ny fifaninanana eny Andohatapenaka ny faran’ny herinandro izay satria hatao ny 7 jona izao indray ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny filoha hifandonan’ireo fileovana niatrika ny Top-8 ihany.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT