Sport

Rugby nokarakarain’ny Madagasikara Tafaray XV Family sy Matadore A ary Uscar sy Tfma no tafita


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Tontosa omaly alahady 9 desambra 2018 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ireo lalao 1/2-dalana amin’ny lalao rugby karakarain’ny fikambanana Madagasikara Tafaray tarihan’Atoa Mbola Rajaonah

 

miaraka amin’ny tohana teknikan’Analamanga rugby tarihan’i Andry La Pie izay samy nanatrika teny an-toerana avokoa ny lalao farany tamin’io omaly io. Nambaran’ny filohan’ity ligy ity fa miara-miasa akaiky amin’ny fikambanana Tafaray izy ankehitriny na eo amin’ny beach rugby na eo amin’ny rugby à XV mba hoentina hampandrosoana marina ny rugby Malagasy na eo aza ny antsojay ataon’ny filohan’ny Malagasy rugby amin’izy ireo. Tafita hiatrika ny famaranana Vondrona A hotontosaina amin’ny alahady ho avy izao ny XV Family sy Matadore A nandresy avy ny Fta sy Ftat omaly (29-9 ; 12-10). Ao amin’ny vondrona B kosa ny Uscar sy Tfma no hikatroka rehefa nandresy avy ny Tam Anosibe sy Uasc (42-40  ;  23-13). Marihana fa samy hahazo lelavola 3 tapitrisa ariary avy avy amin’ny Madagasikara Tafaray izay handresy amin’ireo ekipa 4 ireo ary hahazo 2 tapitrisa ariary izay resy. Mbola samy hahazo ny anjarany koa ireo ekipa 4 resy teo amin’ny 1/2-dalana ary ireo ekipa rehetra nandray anjara dia samy mbola hotolorana “Jeux de maillots complets” sy  baolina avokoa.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT