Sport

Rugby - Mpanazatra “Niveau 3” Malagasy Hanao « repêchage » i Dina sy Kofajah ary i Andry


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Nambara teto tamin’ny herinandro lasa teo fa tafita tamin’ny “Evaluation” nampanaovin’ireo manampahaizana avy amin’ny World

 

 

 

Rugby mirahalahy dia Adama sy Olivier Maigne teto Madagasikara ka nahazo ny mari-pahaizana “Entraîneur de niveau 3 en rugby”  i Eric Sefo mpanazatra ny ekipan’ny Stm Savony sy Lanto mpanazatra ny Scb Besarety ary Alain « Ralay » mpanazatra ny fileovana Crai sy Rindra mpanazatra ny 3Fai. Haverina hadinina na hanao « repêchage » kosa amin’ny volana jona ho avy izao i Dina mpazatra ny Rfc Lalamaty sy i Kofajah mpanazatra ny Asa Ambohimarina ary i Andry mpanazatra ny 3F5 Amboditsiry. Voatery hamerin-taona ka hamerina ny fiofanana manontolo kosa i Jonah mpanazatra ny Us Ikopa sy Richard mpanazatra ny 3Fai.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT