Sport

Rugby – Mondial U15 Lavon’ny USA tamin’ny pilofasy ny EDO


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2015

Hita ho efa valaka tanteraka ireo mpilalao vao tody hatrany amin’ny faran’ny fifaninanana, nandritra ilay fifaninanana fanentanana ny fiadiana ny amboara erantany amin’ny baolina lavalava hatao any Londres (18-septambra-18 oktobra),

fifaninanana natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny alahady tontolo andro teo. Marihina fa baolina lalaovin’olona folo ho an’ny sokajy U15 zazalahy izy io. Ekipa 20 no niatrika azy io ary nampitondraina ny anaran’ireo ekipam-pirenena hiatrika ny Mondial mihitsy. Ireo mpitsara sokajy zandriny ihany koa no nitantana ny lalao ary fito minitra in-droa miditra hatrany ny faharetan’ny fihaonana. Nozaraina vondrona efatra nisy ekipa dimy avy izy ireo. Voahosotra ho tompondaka tamin’ity fifaninanana ity ny USA Ankadifotsy izay nisalotra ny anaran’ny Tonga. Ny EDO izay nitondra ny anaran’i Nouvelle Zelande no nifandona taminy tamin’ny famaranana ary nisaraka sahala samy nahatitra baolina roa avy ny ekipa roa tonta ka rehefa natao ny pilofasy dia ny Bekintan’Ankady no nitsikian’ny vintana. Ny USA moa dia nanilika an’ny CPI (Etazonia) 3-2 tamin’ny manasa-dalana ary ny EDO nanintsana an’ny FTM (Ecosse) tamin’ny isa 4-3 tamin’ny ankatoky ny famaranana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT