Sport

Rugby –Mondial 2015 Tsy hifampitsitsy i Nouvelle Zélande sy Aostralia


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Hifanandrina any Twickenham sy sabotsy 31 oktobra ho avy izao amin’ny 7 ora hariva ora eto Madagasikara ny Allblacks Neozelande sy Wallabies Aostralianina amin’ny fiadiana izay tompon’ny amboara eran-tany amin’nytaranja rugby. Na dia niady aza ny lalao dia tsy nahatohitra ny traikefan’ny Allblacks ny Afrikana tatsimo ny sabotsy lasa teo.

 

 Nitarika mihitsy ny solontenan’ny kaontinanta Afrikanina saingy nisoko miadana niakatra tsimoramora ry be mainty. Tery dia tery ny tarehimarika 20-18. Omaly indray dia nampiseho ny fahaiza-manaony ny Aostralianina, 2 minitra latsaka nanombohan’ny lalao dia efa nahatody baolina nentin-tanana ry zareo tamin’ny alalan’i Rob Simmons, 4 ny totalin’ny “essai” n’ny Aostraliana omaly. Voalohany teo amin’ny tantaran’ny fiadiana ny amboara eran-tany no hifandona amin’ny lalao famaranana i Nouvelle Zélande sy Aostralia, izay samy goavana amin’ity taranja ity ary samy misolotena ny kaontinanta Oseania. Mirona kokoa any amin’ny Allblacks ny tombatomban’ny mpankafy fanatanjahantena saingy efa nampiseho koa ny Aostralianina fa tsy azo sangisangiana ary mety mahavita fahagagana. Azo antoka fa tsy hifampitsitsy ny roa tonta ary tena hangotraka ny lalao afaka herinandro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT