Sport

Rugby MijoroA 2019 Feno hipoka i Mahamasina


  • Talata 11 Jona 2019

Fahombiazana tanteraka no azo ilazana ny hetsika lalao rugby nokarakarain’ny Association MijoroA tamin’ny alahady 09 jona 2019 lasa teo.

 

 

 Feno hipoka indray ny kianjan’i Mahamasina tamin’io fotoana io fa ireo ekipa sangany amin’ny taranja Rugby à XV sokajy D-1 Elite 1 ankehitriny eto amintsika no niakatra ny kianja  mba hoentina hampiroboroboana indray an’ity taranja ity sy ho fikarakarana ny tanora  araka ny tarigetran’ny fikambanana hatrany am-piandohana, hoy ny  filohany, Ramboasolo Rivomanana “Barivo”. Ny 3Fb Fahasalamana sy ny Ftm Manjakaray no nahazo an’ireo amboara lehibe indray sy ny valopy natevintevina tamin’izany. 

 

Voka-dalao tamin’ny alahady : Afa Ankazomanga  23 – 15  Ftat Anosibe ; Ftba Andohatapenaka 53 – 37  Fta Andavamamba ; Ftm Manjakaray  29 – 28 Uscar Fivondronana ; Cnaps Ampefiloha  25 – 24  3Fb Fahasalamana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT