Sport

Rugby Miatrika fiofanana ireo mpampiofana mpanazatra


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Misesisesy ny fiofanana ho an’ny taranja rugby. Niatrika izany ireo mpampiofan’ny “World rugby Malagasy” ny 3-5 septambra eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Mitarika ny fiofanana Rafalimanana Berthin “Zoto”.

 

 Tsy an-kiato fa hitohy avy hatrany ny fiofanana ny 7-9 septambra eny amin’ny kianja Makis hatrany ary hizara hatrany ny traikefany amin’io i Berthin Zoto. Ity fiofanana faharoa ity kosa dia hatokana ho an’ireo mpanazatra “Niveau 2” ho an’ny rugby lalaovin’olona 15. Fiofanana izay misokatra ihany koa ho an’ireo mpilalao manana ny fanamarinana ara-pahasalamana sy mahafehy ny fitsipi-dalao sy fomba fanomanana ara-batana. Hisy ihany koa ny tombanezaka hatao ireo mpiofana ho mpanazatra “Niveau 2” amin’ny rugby lalaovin’olona fito hataon’ilay manampahaizana tomponandraikitra aty Afrika, Adama Bakhoma ny 14-18 septambra. Efa telo volana lasa moa no nanaovana ity fiofanana farany ity. Ankoatra ireo dia hanao “audit” eto koa i Jean Luc Barthes avy amin’ny Rugby Africa ny 19-24 septambra.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT